Deuteronomy 24:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony Ravehivavy noho ny nahitany fahalotoana teo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dRavehivavy izy ka hanolotra izany eo an-tanany ary hampiala azy ao an-tranony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy, ka avy izay tsy nahitan-dravehivavy fitia eo imasony indray, fa misy zava-mahadikidiky hitany aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy izy, ka rehefa voatolony eo an-tanany izany, dia halefany hiala ao an-tranony izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mety misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy; kanefa tafara tsy tia azy intsony ralehilahy noho ny ahitany zavatra azo kianina eo amin-dravehivavy. Dia hanoratra taratasy fanariam-bady ho an-dravehivavy izy sy hanolotra izany eo an-tanany ka hampiala azy ao an-tranony.
Malagasy Bible 1865
Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony Ravehivavy noho ny nahitany fahalotoana teo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dRavehivavy izy ka hanolotra izany eo an-tanany ary hampiala azy ao an-tranony.
malagasy
[Didy samy hafa ny amin'ny fisaoram-bady sy ny tsi-fanaovana izay hampahory ny sasany] Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.