Deuteronomy 24:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa amin’ny andro iasany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa mahantra izy ka izany no irin’ny fony; fandrao hitaraina amin’NY TOMPO noho ny nataonao izy, dia ho fahotana ho anao izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Omeo androtr’iny ihany ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany trosa izany, fa mahantra izy, ka andrasan’ny fanahiny izany; raha tsy izany dia hotaraininy amin’i Iaveh ianao, ary hahazo fahotana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny andro anaovany ihany no hanomezanareo ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany satria mahantra izy sady io karama io no andrandrain’ny fony. Aoka tsy hitaraina amin’ny TOMPO noho ny nafitsokareo izy, fa dia ho fahotana aminareo izany.
Malagasy Bible 1865
Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin'ny fony; fandrao hitaraina amin'i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa amin’ny andro iasany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa mahantra izy ka izany no irin’ny fony; fandrao hitaraina amin’NY TOMPO noho ny nataonao izy, dia ho fahotana ho anao izany.
malagasy