Deuteronomy 24:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina amin’ny fahotany avy ihany ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny ray tsy hovonoina ho solon-janany, ny zanaka tsy hovonoina ho solon-drainy; fa isam-batan’olona dia samy ho fatin’ny fahotana nataony avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin’ny ataon’ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon’ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin’ny fahotany avy ny isam-batan’olona.
Malagasy Bible 1865
Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ihany ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy; fa samy hovonoina amin’ny fahotany avy ihany ny olona.
malagasy
Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ihany ny olona.