Deuteronomy 24:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao ka misy amboara hadinonao any dia aza miverina haka azy fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any an-tsaha, aza miverina haka izany intsony, fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao amin’ny asan-tananao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa jinjainareo ny varinareo any an-tsaha, ka misy amboara iray hadinonareo any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. Dia hotahîn ’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo amin’ny asa rehetra ataonareo.
Malagasy Bible 1865
Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'ny asa rehetra ataon'ny tananao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao ka misy amboara hadinonao any dia aza miverina haka azy fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.
malagasy