Deuteronomy 24:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay nanambady azy taloha izay nisaraka taminy, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izany; aza mampiditra heloka amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay vadiny voalohany efa nisaotra azy, rahefa voaloto izy, satria fahavetavetana eo imason’i Iaveh izany, ka aza mampiditra fahotana amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay lehilahy voalohany nanambady azy ka nanary azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, satria efa voaloto ravehivavy ho azy sady zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO izany. Aza atao tototra heloka ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.
Malagasy Bible 1865
ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay nanambady azy taloha izay nisaraka taminy, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izany; aza mampiditra heloka amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao.
malagasy