Deuteronomy 25:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ny fitsarana mba ho tsarain’ny mpitsara dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy fifanjihiran’olona, ka efa niseho teo anatrehan’ny mpitsara izy ireo, ary efa notsaraina, ka ny marina nafahana, ary ny meloka nohelohina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mety misy olona anankiroa manana ady ka mankeo amin’ny fitsarana; dia tsaraina izy roroa ka homen-drariny izay manan-drariny ary hohelohina kosa izay meloka.
Malagasy Bible 1865
Raha misy olona manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona manana ady ka mankeo amin’ny fitsarana mba ho tsarain’ny mpitsara dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
malagasy
[Ny amin'ny kapoka hatao amin'izay meloka, sy ny fitondran-doloha ny vadin-drahalahy, ary ny tsy hanaovana varo-dratsy] Raha misy olona manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.