Deuteronomy 25:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodilalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aoriananao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an’Andriamanitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny nifanenany taminao teny an-dalana sy namelezany anao avy ao aoriana, dia izay rehetra efa trotraka nanaraka eo aoriana, fa ianao efa reraka sy valaka; tsy nanana tahotra an’Andriamanitra kely akory izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nanan-tahotra an’Andriamanitra ireo fa nanehatra anareo teny an-dalàna sy namely izay trotraka teo amin’ny vodilaharanareo fony ianareo reraka sy sasatra.
Malagasy Bible 1865
dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodilalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aoriananao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an’Andriamanitra izy.
malagasy
dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.