Deuteronomy 26:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny, TOMPO ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ny tany izay nomenao ahy. Avelao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ny voaloham-bokatra noentinao ary miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, TOMPO ô, intỳ aho mitondra ny voaloham-bokatr’ilay tany izay efa nomenao ahy.» Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan’ny Toeramasin ’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny, TOMPO ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ny tany izay nomenao ahy. Avelao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ny voaloham-bokatra noentinao ary miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao.
malagasy