Deuteronomy 26:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary lazao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànanao rehetra izay nomenao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia lazao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao hoe: Efa navoakako tao an-tranoko avokoa ny zava-masina, ka nomeko ny Levita mbamin’ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny didy rehetra nomenao ahy; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary samia ianareo miteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo hoe: «Efa navoakako niala ny tranoko, TOMPO ô, ny zavatra voatokana ho Anao ka nomeko ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena, araka ny didy manontolo izay nampitainao tamiko; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao ny amin’izany.
Malagasy Bible 1865
ary dia lazao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary lazao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànanao rehetra izay nomenao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
malagasy