Deuteronomy 26:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Anio no andidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«I Iaveh Andriamanitrao no nanadidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anio no andidian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo hanatanteraka ireo lalàna amam-pitsipika ireo; koa himasoanareo hotanterahina amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ireo.
Malagasy Bible 1865
Anio no andidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Anio no andidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ireo.
malagasy
[Teny farany hampahazoto ny Isiraely hatoky ny fahasoavan'i Jehovah sy mpanaraka Azy] Anio no andidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.