Deuteronomy 26:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary efa nampianiana anao NY TOMPO androany fa firenena fananany sarobidy indrindra ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa ianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary Izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra nataony, na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, araka ny efa voalazany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa nampitenenin’ny TOMPO kosa ianareo androany fa ho vahoaka fananany sarobidy indrindra ianareo, araka izay nampanantenainy taminareo, sady hitandrina ny didiny rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary efa nampianiana anao NY TOMPO androany fa firenena fananany sarobidy indrindra ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
malagasy
Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,sy hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.