Deuteronomy 26:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hiteny eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao hoe: Arameana mpanjenjena no raiko ka nidina tany Ejipta izy, dia nivahiny tany mbamin’ny olom-bitsy; ary tonga firenena lehibe sy mahery sady maro an’isa tany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
Malagasy Bible 1865
Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hiteny eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao hoe: Arameana mpanjenjena no raiko ka nidina tany Ejipta izy, dia nivahiny tany mbamin’ny olom-bitsy; ary tonga firenena lehibe sy mahery sady maro an’isa tany izy.
malagasy