Deuteronomy 27:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitsodrano ny vahoaka, rehefa tafita an’i Jordana ianareo: Ny Simeona, ny Levy, ny Joda, ny Isakara, ny Josefa ary ny Benjamina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, dia ireto no hitoetra hitso-drano ny vahoaka ao an-tendrombohitra Garizima: I Simeôna, i Levì, i Jodà, i Isakara, i Josefa ary i Benjamina;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Rehefa tafita ny ony Jôrdàna ianareo, dia ireto foko ireto no ho eo amin’ny tendrombohitra Gerizîma amin’ny fanononam- pitahiana ho an’ny vahoaka: dia i Simehôna, i Levỳ, i Jodà, i Jisakara, i Jôsefa ary i Benjamîna.
Malagasy Bible 1865
Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an'i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitsodrano ny vahoaka, rehefa tafita an’i Jordana ianareo: Ny Simeona, ny Levy, ny Joda, ny Isakara, ny Josefa ary ny Benjamina.
malagasy
Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an'i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.