Deuteronomy 27:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ho voaozona anie ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra ho sampiny na sarin-javatra amin’ny metaly nempoina ka mametraka azy hotsaohina an-takona, satria maharikoriko eo imason’ny TOMPO ny asan-tanan’ny mahay taozavatra toy ireny!» Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: « Amen!»
Malagasy Bible 1865
Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason'i Jehovah, asan'ny tanan'ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin'ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena.
malagasy