Deuteronomy 27:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianao ka hiditra ao amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, taminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianareo, mba hidiranao eo amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, izay tany tondra-dronono sy tantely, araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitry ny razanao taminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary hosoratanareo eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra momba ity Lalàna ity, vantany vao tafita ny ony ianareo. Izany no hidiranareo ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.
Malagasy Bible 1865
dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianao ka hiditra ao amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao, taminao.
malagasy