Deuteronomy 28:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mihaino tsara ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay omeko anao anio, dia hasandratry NY TOMPO Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany ianao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka manaraka sy mitandrina ny didiny rehetra andidiako anao anio, i Iaveh Andriamanitrao hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany ianareo;
Malagasy Bible 1865
Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mihaino tsara ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay omeko anao anio, dia hasandratry NY TOMPO Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany ianao;
malagasy
[Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao;