Deuteronomy 28:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hataon’NY TOMPO manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanao homena anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hofenoin’i Iaveh soa ianao, dia ny aloaky ny kibonao, ny teraky ny biby fiompinao, ary ny vokatry ny taninao, any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’ny razanao homena anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataon’ny TOMPO manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo, any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razambenareo homena anareo: ho maro anaka ianareo, ho maro taranaka ny biby fiompinareo ary hiavosa ny vokatry ny taninareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hataon'i Jehovah manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razanao homena anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hataon’NY TOMPO manana amby ampy izay hahasoa anao, dia ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, any amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanao homena anao.
malagasy