Deuteronomy 28:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hovohan’NY TOMPO ho anao ny lanitra, trano fitahirizan-tsoa, ka handatsahany ranonorana amin’ny taninao amin’ny fotoanany ary hotahiny ny asan’ny tananao rehetra. Ary hampisambotra firenena maro ianao fa ianao kosa dia tsy hisambotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovohan’i Iaveh ho anao ny raki-tsoany, dia ny lanitra, handatsahany ny ranonorana amin’ny fotoany eo amin’ny taninao, sy hitahiany ny asan-tananao rehetra. Firenena maro no hampisamboranao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hovohan’ny TOMPO ho anareo ny lanitra izay itahirizany rano sarobidy, mba handatsahany orana ny taninareo amin’ny fotoanandrony ary hitahiany ny asa rehetra ataonareo. Ianareo tsy mba hisambotra vola mihitsy, fa firenena maro kosa no hampisamborinareo.
Malagasy Bible 1865
Hovohan'i Jehovah ho anao ny lanitra, tranony fitehirizan-tsoa, handatsahany ranonorana amin'ny taninao amin'ny fotoany sy hitahiany ny asan'ny tananao rehetra. Ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hovohan’NY TOMPO ho anao ny lanitra, trano fitahirizan-tsoa, ka handatsahany ranonorana amin’ny taninao amin’ny fotoanany ary hotahiny ny asan’ny tananao rehetra. Ary hampisambotra firenena maro ianao fa ianao kosa dia tsy hisambotra.
malagasy