Deuteronomy 28:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hataon’NY TOMPO ho lohany ianao fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’NY TOMPO Andriamanitrao, izay omeko anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Halahatr’i Iaveh ho lohany ianao, fa tsy ho rambony. Ho ambony mandrakariva ianao, fa tsy ho ambany na oviana na oviana, raha tahiny ianao mitandrina ny didin’i Iaveh Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataon’ny TOMPO ho lohalaharana ianareo fa tsy ho farany, ary hiroso ho ambony hatrany fa tsy ho ambany, satria ekenareo sady imasoanareo harahina ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, didy izay ampitaiko aminareo anio;
Malagasy Bible 1865
Dia hataon'i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hataon’NY TOMPO ho lohany ianao fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’NY TOMPO Andriamanitrao, izay omeko anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
malagasy