Deuteronomy 28:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalànany, izay omeko anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha tsy manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao kosa ianao, mba hitandremanao ny didiny rehetra sy ny lalàna rehetra andidiako anao anio, dia izao ny ozona rehetra ho tonga sy hihatra aminao:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tsy ekenareo kosa ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy imasoanareo hotanterahina ny didy aman-dalànany rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia ho tonga sy hianjady aminareo ireto ozona rehetra ireto:
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy mihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalànany, izay omeko anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
malagasy