Deuteronomy 28:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Areti-mahasaozanina, tazo mahamay, fahamaizana, hafanana mangotraka, andro mihantona ary vary main’ny hafanana na maty fotsy no hamelezan’NY TOMPO anao; dia hanenjika anao ireny ozona ireny mandra-pahalany ritra anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh hikapoka anao amin’ny areti-mampitsimozimozy, tazo, fanaintainana, hafanana mahamay, andro mihantona, aretim-bary sy niela, ka hoenjehin’ireo ianao, mandra-pahalevona anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Areti-mahasaozanina sy tazo mahamay ary fanaintainana no hamelezan’ny TOMPO anareo; hasiany amin’ny andro mihantona sy vary main’ny rivotra na maty fotsy ianareo; dia hanjohy anareo ireny rehetra ireny ka ho lany ritra ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Areti-mahasaozanina, tazo mahamay, fahamaizana, hafanana mangotraka, andro mihantona ary vary main’ny hafanana na maty fotsy no hamelezan’NY TOMPO anao; dia hanenjika anao ireny ozona ireny mandra-pahalany ritra anao.
malagasy