Deuteronomy 28:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatolotry NY TOMPO ho resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, koa lalana iray no handehananao hiady aminy fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho fampangovitana ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataon’i Iaveh resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany, ary ho zavatra mahatsiravina ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatolotry ny TOMPO horesen’ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloan'ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatolotry NY TOMPO ho resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao, koa lalana iray no handehananao hiady aminy fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho fampangovitana ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ianao.
malagasy