Deuteronomy 28:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hovonoina eo imasonao ny ombinao nefa tsy hihinana ny henany ianao. Halaina an-keriny eo anatrehanao ny borikinao ka tsy haverina aminao. Homena ho an’ny fahavalonao ny ondry aman’osinao nefa tsy hisy hamonjy ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovonoina eo imasonao ny ombinao, fa tsy hihinana amin’izany ianao, hotsoahana eo anatrehanao ny ampondranao, fa tsy haverina aminao izy, ary hatolotra ny fahavalonao ny ondrinao, fa tsy hisy hamonjy anao akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ombinareo hovonoina eo imasonareo, fa tsy hihinananareo; ny borikinareo halaina an-keriny eo anatrehanareo, fa tsy haverina aminareo; ny ondry aman’osinareo hafoy ho an’ny fahavalonareo, fa tsy hisy hamonjy anareo;
Malagasy Bible 1865
Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman'osinao homena ho an'ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hovonoina eo imasonao ny ombinao nefa tsy hihinana ny henany ianao. Halaina an-keriny eo anatrehanao ny borikinao ka tsy haverina aminao. Homena ho an’ny fahavalonao ny ondry aman’osinao nefa tsy hisy hamonjy ianao.
malagasy