Deuteronomy 28:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy dia homena ho an’ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatolotra ny firenena hafa ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ka ny masonao foana no hipitrapitra sy ho valalanina tontolo andro noho ny alahelo azy, fa ny tananao tsy hahefa na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny zanakalahinareo sy zanakavavinareo hafoy ho an’ny firenena hafa ka ny masonareo hipitrapitra sy ho valalanina manontolo andro noho ny alahelo azy, fa tsy hahefa na inona na inona ny tananareo.
Malagasy Bible 1865
Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy dia homena ho an’ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.
malagasy
Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.