Deuteronomy 28:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra nisasaranao dia hohanin’ny firenena izay tsy fantatrao; ary hanaovan’ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny foana ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vokatry ny taninao, ny vokatry ny asanao rehetra, hohanin’olon-kafa tsy fantatrao akory, ary ianao hampahorina sy homongoin’ny sasany isan’andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vokatry ny taninareo sy izay rehetra efa nisasaranareo dia hohanin’ny firenena izay tsy fantatrareo; ary hampahorîn’ny sasany sy homongomongoiny mandrakariva ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan'ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra nisasaranao dia hohanin’ny firenena izay tsy fantatrao; ary hanaovan’ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny foana ianao.
malagasy
Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan'ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.