Deuteronomy 28:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoentin’NY TOMPO ho any amin’ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao izay hatsanganao hanjaka aminao; ary any no hanompoanao andriamanitra hafa, dia vato aman-kazo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampandehanin’i Iaveh ianao sy ny mpanjaka natsanganao ho lohanao, ho any amin’ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razanao, dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo any ianao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoentin’ny TOMPO ianareo sy ny mpanjaka hatsanganareo ho filohanareo mba ho any amin’ny firenena izay tsy fantatrareo na ny razambenareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa, dia vato aman-kazo voasokitra.
Malagasy Bible 1865
Ho entin'i Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoentin’NY TOMPO ho any amin’ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao izay hatsanganao hanjaka aminao; ary any no hanompoanao andriamanitra hafa, dia vato aman-kazo.
malagasy
Ho entin'i Jehovah ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.