Deuteronomy 28:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho figagana sy oha-teny ary ambentin-dresaka ianao any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’NY TOMPO anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hanjary figagan’ny olona sy fanao angano amam-pihomehezana ianao, any amin’izay vahoaka rehetra hitondran’i Iaveh anao any.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho figagàn’ny olona sy ho ambentinteniny ary ho fihomehezany ianareo any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’ny TOMPO anareo.
Malagasy Bible 1865
Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'i Jehovah anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ho figagana sy oha-teny ary ambentin-dresaka ianao any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’NY TOMPO anao.
malagasy
Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'i Jehovah anao.