Deuteronomy 28:45 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ny amin’ny hitandremanao ny didiny sy ny lalànany, izay nomeny anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hianjera aminao avokoa ireo ozona rehetra ireo, ary hanenjika sy hahatratra anao tokoa, mandra-paharinganao mihitsy, noho ianao tsy nanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, hitandremanao ny didy aman-dalàny nandidiany anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ho tonga aminareo ireo ozona rehetra ireo, fa hanjohy anareo sy hianjady aminareo mandra-paharinganareo, satria tsy nekenareo ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsy notandremanareo ny didy aman-dalàna izay nampitainy taminareo.
Malagasy Bible 1865
Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ny amin’ny hitandremanao ny didiny sy ny lalànany, izay nomeny anao.
malagasy