Deuteronomy 28:48 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’ny hanoanana sy ny hetaheta ary ny fitanjahana sy ny tsy fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’NY TOMPO hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia amin’ny hanoanana sy hetaheta, ary amin’ny fitanjahana sy tsy fananana na inona na inona kosa no hanompoanao ny fahavalonao, izay halefan’i Iaveh hamely anao; hanisy jioga vy ny vozonao mandra-pandringany anao Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ho mpanompon’ny fahavalo halefan’ny TOMPO hamely anareo, ka hianjadian’ny hanoanana sy hetaheta ary hihafy amin’ny fitafiana sy ny zavatra isan-karazany. Hanisy zioga vy eo an-tsorokareo ny Tompo, mandra-pandringany anareo.
Malagasy Bible 1865
Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin'ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’ny hanoanana sy ny hetaheta ary ny fitanjahana sy ny tsy fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’NY TOMPO hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
malagasy