Deuteronomy 28:49 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoentin’NY TOMPO hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin’ny faran’ny tany. Tahaka ny fanidinan’ny voromahery no fiaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Firenena avy lavitra, firenena avy any am-paran’ny tany sady tsy fantatrareo ny fiteniny, izany no hoentin’ny TOMPO hiady aminareo; tahaka ny voromahery miantonta hipaoka remby no hiavian’izany firenena izany aminareo:
Malagasy Bible 1865
Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoentin’NY TOMPO hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin’ny faran’ny tany. Tahaka ny fanidinan’ny voromahery no fiaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
malagasy
Ho entin'i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin'ny faran'ny tany-tahaka ny fanidin'ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,