Deuteronomy 28:51 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao. Tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman’osinao, mandra-pandringany anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Holaniny ny teraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-pahalevona anao. Tsy misy hamelany ho anao, na vary, na divay vaovao, na diloilo, na teraky ny biby fiompinao, na lehibe na kely, mandra-pandringany anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hihinana ny vokatry ny fiompianareo sy ny vokatry ny taninareo, mandra-paharinganareo. Tsy havelany ho anareo na vary, na divay, na ny zanak’omby sy ondry aman’osinareo, mandra-pahafongony anareo.
Malagasy Bible 1865
dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao; ka tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman'osinao, mandra-pandringany anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hohaniny ny ateraky ny ombinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharinganao. Tsy hisy havelany ho anao, na vary, na ranom-boaloboka, na diloilo, na ny ateraky ny ombinao, na ny ateraky ny ondry aman’osinao, mandra-pandringany anao.
malagasy