Deuteronomy 28:52 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hataony fahirano any amin’ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, manerana ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin’ny tanànanao manerana ny taninao rehetra izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataony fahirano ianao, anatin’ny vavahadinao rehetra, mandra-paharavan’ny manda avo sy mafy amin’ny taninao, izay nitokianao. Hataony fahirano ianao ao amin’ny vavahadinao rehetra sy amin’ny tany rehetra, izay nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataony fahirano ianareo, any amin’ny tanàna rehetra misy anareo eran’ny taninareo, mandra-pandravany ny manda avo sy mafy izay itokianareo; eny, hataony fahirano ianareo, any amin’ny tanàna rehetra misy anareo, eran’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
Malagasy Bible 1865
Dia hataony fahirano any amin'ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, eran'ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin'ny tanànanao rehetra eran'ny taninao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hataony fahirano any amin’ny tanànanao rehetra ianao mandra-pandravany ny mandanao avo sy mafy, izay itokianao, manerana ny taninao rehetra; eny, hataony fahirano ianao any amin’ny tanànanao manerana ny taninao rehetra izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
malagasy