Deuteronomy 28:53 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, izany hoe ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hohaninao ny naloaky ny kibonao, dia ny mofon’ny zanakao lahy aman-janakao vavy, izay nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao, fa ho mafy loatra ny horohoro amam-pahoriana haneren’ny fahavalonao anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandritra izany fahirano izany, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo, dia ny zanakareo no hohaninareo; eny, ny nofon’ny zanakalahy sy zanakavavy izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo no hataonareo sakafo.
Malagasy Bible 1865
Ary eo amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, dia ny nofon'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao, dia ny ateraky ny kibonao no hohaninao, izany hoe ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
malagasy