Deuteronomy 28:55 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tsy hisy amin’ireo no homeny amin’ny nofon’ny zanany izay haniny, fandrao tsy hisy ho azy intsony amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao any amin’ny tanànanao rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary tsy misy homeny amin’ny mofon-janany izay hohaniny, satria tsy hisy sisa intsony ao aminy noho ny hamafin’ny horohoro amam-pahoriana haneren’ny fahavalonao anao, anatin’ny vavahadinao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tsy misy homeny amin’ny mofon-janany izay hohaniny manko ireo havany akaiky ireo; sao manko tsy hisy sakafo tavela ho an’ny tenany intsony mandritra ny fahirano, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo any amin’ny tanàna rehetra misy anareo any.
Malagasy Bible 1865
ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
tsy hisy amin’ireo no homeny amin’ny nofon’ny zanany izay haniny, fandrao tsy hisy ho azy intsony amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao any amin’ny tanànanao rehetra.
malagasy
ka tsy hisy amin'ireo hanomezany ny nofon'ny zanany izay haniny fandrao tsy hisy intsony ho azy amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao rehetra.