Deuteronomy 28:57 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsy fisian-javatra amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao any amin’ny tanànanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho ny amin’ny ahitra izay nivoaka avy eo anelanelan’ny tongony, sy noho ny zanany vao teraka, satria hohaniny mangingina izany, fa tsy manana na inona na inona izy, noho ny hamafin’ny horohoro amam-pahoriana haneren’ny fahavalonao anao, anatin’ny vavahadinao rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
eny, na hoe ny zazakely vao natera-dravehivavy sy ny tavony afaka taminy aza, dia hataony ratsy fijery; hohaniny mangingina manko ireny fa tsy manana na inona hatao sakafo izy mandritra izany fahirano izany, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo any amin’ny tanànareo any.
Malagasy Bible 1865
noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsi-fisian-javatra amin'ny fahirano sy ny fanerena, izay haneren'ny fahavalonao anao any amin'ny tanànanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
noho ny ahitra izay mivoaka avy aminy sy ny zanany vao teraka; fa hihinana izany mangingina izy noho ny tsy fisian-javatra amin’ny fahirano sy ny fahoriam-be, izay haneren’ny fahavalonao anao any amin’ny tanànanao.
malagasy