Deuteronomy 28:63 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka izay nifalian’NY TOMPO taminareo mba hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany koa no hifalian’NY TOMPO handringana sy handrava anareo; fa hofongorana tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho toy ny nifalian’i Iaveh tamin’ny nanasoavany sy nampitomboany anao ihany no hifalian’i Iaveh koa amin’ny handringanany sy handravàny anao kosa, ka hofongorana ianareo amin’ny tany hidiranao hanananao azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka izay nifalian’ny TOMPO hahasoa sy hahamaro anareo no hifaliany handringana sy handrava anareo; ka hofongorana ianareo tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.
Malagasy Bible 1865
Ary araka izay nifalian'i Jehovah taminareo hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany kosa no hifalian'i Jehovah handringana sy handrava anareo; dia hofongorana ianareo tsy ho eo amin'ny tany, izay efa hidiranao holovana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka izay nifalian’NY TOMPO taminareo mba hahasoa sy hahamaro anareo, dia araka izany koa no hifalian’NY TOMPO handringana sy handrava anareo; fa hofongorana tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranao holovana ianareo.
malagasy