Deuteronomy 28:64 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia haelin’NY TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianao; any no hanompoanao andriamanitra hafa, vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Haelin’i Iaveh any amin’ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany ianao, ary any dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo tsy fantatrao na fantatry ny razanao akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia haelin’ny TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.
Malagasy Bible 1865
Dia haelin'i Jehovah any amin'ny firerena rehetra hatramin'ny faran'ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia haelin’NY TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianao; any no hanompoanao andriamanitra hafa, vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao akory.
malagasy
Dia haelin'i Jehovah any amin'ny firerena rehetra hatramin'ny faran'ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.