Deuteronomy 28:67 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa maraina ny andro dia hiteny ianao hoe: Malakia hariva! Nefa rehefa hariva indray ny andro dia hiteny ianao hoe: Malakia maraina! Noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao sy noho ny zavatra izay ho hitan’ny masonao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maraina ianao hanao hoe: Malakia hariva! Hariva ianao hanao hoe: Malakia maraina! noho ny tahotra hampivadi-po anao sy ny zavatra ho hitan’ny masonao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maraina ianareo hanao hoe: «Malakia hariva!», hariva ianareo hanao hoe: «Malakia maraina!» noho ny tahotra hangeja ny fonareo ary noho ny zavatra ho hitan’ny masonareo.
Malagasy Bible 1865
Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan'ny masonao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa maraina ny andro dia hiteny ianao hoe: Malakia hariva! Nefa rehefa hariva indray ny andro dia hiteny ianao hoe: Malakia maraina! Noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao sy noho ny zavatra izay ho hitan’ny masonao.
malagasy