Deuteronomy 28:68 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoentin’NY TOMPO an-tsambo ianao hiverina any Ejipta amin’ilay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevo any amin’ny fahavalonareo ianareo na lahy na vavy, nefa tsy hisy mpividy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Haverin’i Iaveh an-tsambo ho any Ejipta ianao, hihazo ny lalana voalazako taminao hoe: Tsy ho hitanao intsony izany, ary any ianareo hivaro-tena ho andevolahy sy andevovavy amin’ny fahavalonareo nefa tsy hisy mpividy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoentin’ny TOMPO hiverina an-tsambo any Ejipta ianareo ka hihazo ny lalana efa nolazaiko taminareo hoe tsy ho hitanareo intsony; any ianareo, na lahy na vavy, dia hivaro-tena ho mpanompon’ny fahavalonareo, nefa tsy hisy mpividy.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy. IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoentin’NY TOMPO an-tsambo ianao hiverina any Ejipta amin’ilay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevo any amin’ny fahavalonareo ianareo na lahy na vavy, nefa tsy hisy mpividy.
malagasy
Ary ianao ho entin'i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin'izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin'ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.[Filazana ny faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely, sy fananarana azy, andrao misy mandika izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.