Deuteronomy 28:69 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no tenin’ny fanekena izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy hatao amin’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Moaba, ankoatra ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no tenin’ny fanekena nandidian’i Iaveh an’i Môizy hatao amin’ny zanak’i Israely, tany amin’ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tany Horeba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto kosa no fepetra momba ny fanekempihavanana nodidian’ny TOMPO hataon’i Mosesy amin’ny Israelita tany Môaba. Izao fanekempihavanana izao dia ankoatra ilay natao tany amin’ny tendrombohitra Hôreba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no tenin’ny fanekena izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy hatao amin’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Moaba, ankoatra ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.
malagasy
[Filazana ny faneken'i Jehovah tamin'ny Isiraely, sy fananarana azy, andrao misy mandika izany fanekena izany] IZAO no tenin'ny fanekena izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao amin'ny Zanak'Isiraely tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba.