Deuteronomy 29:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka niteny taminy hoe: Efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO teo imasonareo tany amin’ny tany Ejipta ianareo, dia tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niantso an’i Israely rehetra i Môizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon’i Iaveh teo imasonareo, tany amin’ny tany Ejipta, tamin’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorîn’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon’ny TOMPO teo imasonareo tamin’ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo.
Malagasy Bible 1865
Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka niteny taminy hoe: Efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO teo imasonareo tany amin’ny tany Ejipta ianareo, dia tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra.
malagasy