Deuteronomy 29:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na foko eo aminareo, izay manana fo mivily anio ka miala amin’NY TOMPO Andriamanitsika ary handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; fandrao hisy faka mangidy miteraka poizina mahafaty eo aminareo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aoka tsy hisy aminareo anio, na lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily miala amin’i Iaveh Andriamanitsika, mba handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho fototra hiteraka poizina sy absinta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aoka tsy hisy aminareo, lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily anio ka hiala amin’ny TOMPO Andriamanitsika mba handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho tahaka ny fakan-javamaniry miteraka poizina mangidy.
Malagasy Bible 1865
fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin'i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na foko eo aminareo, izay manana fo mivily anio ka miala amin’NY TOMPO Andriamanitsika ary handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; fandrao hisy faka mangidy miteraka poizina mahafaty eo aminareo;
malagasy