Deuteronomy 29:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa rehefa ren’izany olona izany ny tenin’ity fanozonana ity dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hiteny hoe: Hanam-piadanana aho; eny, hanaraka ny ditran’ny foko ka hanampy fanalana hetaheta amin’ny fahamamoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha olona mandre izao tenim-pianianana izao no mihevi-tena ho ambinina ka hanao hoe: «Hanam-piadanana ihany aho, na manaraka ny ditram-poko aza; sady tany dibo-drano, tsy mba mangetaheta intsony!»,
Malagasy Bible 1865
ary raha ren'izany olona izany ny tenin'ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin'ny mangetaheta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa rehefa ren’izany olona izany ny tenin’ity fanozonana ity dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hiteny hoe: Hanam-piadanana aho; eny, hanaraka ny ditran’ny foko ka hanampy fanalana hetaheta amin’ny fahamamoana.
malagasy