Deuteronomy 29:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy hety hamela ny helony NY TOMPO, fa hanetroka amin’izany lehilahy izany ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, koa hovonoin’NY TOMPO tsy ho eo ambanin’ny lanitra ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hanaiky hamela heloka izany olona izany i Iaveh, fa hirehitra amin’izany olona izany ny fahatezeran’i Iaveh sy ny fahasarotam-piarony ka hianjera aminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity, ary hovonoin’i Iaveh tsy ho eto ambanin’ny lanitra ny anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran’ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, ka hovonoin’ny TOMPO tsy ho eo amin’izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'i Jehovah tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy hety hamela ny helony NY TOMPO, fa hanetroka amin’izany lehilahy izany ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, koa hovonoin’NY TOMPO tsy ho eo ambanin’ny lanitra ny anarany.
malagasy