Deuteronomy 29:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo; tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona aminy, dia tahaka ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora ary i Adma sy i Zeboima, izay noravan’NY TOMPO noho ny fahavinirany sy ny fahatezerany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny solifara sy ny sira, fanakilana an’izany tany rehetra izany, izay tsy hofafazana, tsy hanome vokatra avy aminy, tsy haniriana ahitra akory, toy ny tamin’ny fikorontanan’i Sôdôma sy i Gômôra, i Adamà sy i Sebôima, izay nakorontan’i Iaveh tamin’ny fahatezerany amam-pahavinirany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Main’ny solifara sy ny sira avokoa ity tany ity; tsy azo amafazana intsony, tsy hanirian-javatra intsony, ary tsy hisy ahitra hitrebona intsony ao. Ny mihatra aminy dia ny nanjo an’i Sôdôma sy i Gômôra ary i Admà sy i Tsebôima, izay tanàna noravan’ny TOMPO satria nirehetan’ny fahatezerany ».
Malagasy Bible 1865
fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany sy ny fahatezerany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo; tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona aminy, dia tahaka ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora ary i Adma sy i Zeboima, izay noravan’NY TOMPO noho ny fahavinirany sy ny fahatezerany.
malagasy