Deuteronomy 3:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Oga, mpanjakan’i Basana, irery no sisa velona tamin’ny Refaìta. Indro, farafara vy ny farafarany; tsy ao Raba an’ny taranak’i Amona va izany? Sivy hakiho ny halavany ary efatra hakiho ny sakany, refy hakihon’ny lehilahy io noraisina io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Oga mpanjakan’i Basàna, no hany taranaky ny Refaima sisa tavela. Moa tsy ao Rabata va, ao amin’ny taranak’i Amôna, ny farafarany, farafara vy? Sivy hakiho ny halavany, efatra hakiho ny sakany, amin’ny hakihon-dehilahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Hôga mpanjakan’i Basàna manko no hany sisa tavela tamin’ny Refaîta. Mbola hita ao Rabà, renivohitry ny Amôrita, ny vatam-paty misy azy, dia vatam-paty natao tamin’ny vato vy voapaika ka efatra metatra sy sasany ny halàvany ary roa metatra ny sakany araka ny refy mahazatra.
Malagasy Bible 1865
Fa Oga, mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona tamin'ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon'ny lehilahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Oga, mpanjakan’i Basana, irery no sisa velona tamin’ny Refaìta. Indro, farafara vy ny farafarany; tsy ao Raba an’ny taranak’i Amona va izany? Sivy hakiho* ny halavany ary efatra hakiho ny sakany, refy hakihon’ny lehilahy io noraisina io.
malagasy
Fa Oga, mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona tamin'ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon'ny lehilahy.