Deuteronomy 3:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Io tany io dia azontsika tamin’izany andro izany; hatrany Aroera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona sy ny antsasaky ny tany havoana any Gileada ary ny tanàna eo, dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia azontsika tamin’izay, izany tany izany. Nomeko ny Robenita sy ny Gadita ny hatrany Arôera izay manerinerina amin’ny lohasahan’i Arnôna sy ny antsasaky ny tendrombohitr’i Galaada mbamin’ny tanànany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany tokoa no nahazoantsika io tany io. Ny antsasaky ny tany havoanan’i Gilehada mbamin’ny tanàna eo, manomboka any Harôhera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna, dia nomeko ny Reobenita sy ny Gadita.
Malagasy Bible 1865
Ary io tany io dia azontsika tamin'izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan'i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Io tany io dia azontsika tamin’izany andro izany; hatrany Aroera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona sy ny antsasaky ny tany havoana any Gileada ary ny tanàna eo, dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
malagasy