Deuteronomy 3:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Jaira, zanak’i Manase, no nahazo ny tany Argoba rehetra, hatramin’ny faritanin’ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’izany Basana izany dia nataony hoe Havota-Jaìra, araka ny anarany ihany, mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jaira, zanak’i Manase no nahazo ny tany Argoba, hatramin’ny sisin-tanin’ny Gesorianina sy ny Makatianina, ary nantsoiny amin’ny anarany ny vohitr’i Basàna izay atao hoe vohitr’i Jaira, mandrak’androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo terak’i Jaîro zanakalahin’i Manase no nahazo ny faritany Argôba manontolo, mipaka amin’ny sisintanin’ny Gesorita sy Mahekatita; dia nantsoina hoe Havôta-Jaîro izany faritra izany araka ny anarana entiny mandraka androany.)
Malagasy Bible 1865
Jaïra, zanak'i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran'izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaira, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Jaira, zanak’i Manase, no nahazo ny tany Argoba rehetra, hatramin’ny faritanin’ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’izany Basana izany dia nataony hoe Havota-Jaìra, araka ny anarany ihany, mandraka androany.
malagasy