Deuteronomy 3:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatrany amin’ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha sy ny sisintany, hatrany amin’ny moron’ny lohasahan-driaka Jaboka izay sisintanin’ny taranak’i Amona,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Robenita sy ny Gadita nomeko ny sasany amin’i Galaada hatramin’ny ranon-driaka Arnôna, ny am-pamatonan’ny lohasaha no faritra aminy, hatramin’ny ranon-driaka Jabaoka, sisin-tanin’ny zanak’i Amôna,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Reobenita sy ny Gadita dia nomeko ny ampahan’i Gilehada miafara amin’ny lohasahan-driaka Arnôna (ka tao afovoan’io lohasahan-driaka io no sisintany), sy miafara amin’ny lohasahan-driaka Jabôka izay sisin-tany mampisaraka amin’ny Hamônita;
Malagasy Bible 1865
Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin'ny amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatrany amin’ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha sy ny sisintany, hatrany amin’ny moron’ny lohasahan-driaka Jaboka izay sisintanin’ny taranak’i Amona,
malagasy