Deuteronomy 3:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandidy anareo aho tamin’izany andro izany hoe: NY TOMPO Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo. Andeha mita eo alohan’ny Zanak’Israely rahalahinareo ianareo lehilahy mahery rehetra izay samy efa voaomana hiady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanome didy anareo aho tamin’izany andro izany, nanao hoe: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo ho fanananareo ity tany ity, koa ianareo rehetra, rehefa mety ho lehilahy matanjaka dia handeha mitam-piadiana eo alohan’ny rahalahinareo, dia ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany, dia nomeko baiko ireo ka nataoko hoe: «Efa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo ity faritany ity; ka ndeha mita eo alohan’ny Israelita hafa havanareo ianareo lehilahy mahery fo rehetra samy efa voaoman-kiady.
Malagasy Bible 1865
Ary nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandidy anareo aho tamin’izany andro izany hoe: NY TOMPO Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo. Andeha mita eo alohan’ny Zanak’Israely rahalahinareo ianareo lehilahy mahery rehetra izay samy efa voaomana hiady.
malagasy